1 John 4

1Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra. Fa kosa, mitsapa ireo fanahy mba hahita fa avy amin’Andriamanitra izy ireo, satria mpaminany sandoka maro no efa niala tamin’izao tontolo izao. 2Amin’izany no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra-ny fanahy rehetra izay manaiky fa i Jesosy Kristy izay tonga nofo dia avy amin’Andriamanitra, 3ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa Jesosy dia tsy avy amin’Andriamanitra. Dia izany ny fanahin’ny antiKristy, izay efa renareo fa ho avy, ary ankehitriny dia efa eto an-tany. [Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasany dia mivaky hoe: “Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky fa i Jesosy tonga nofo dia tsy avy amin’Andriamanitra. Izany dia fanahin’ny antiKristy, izay efa henonareo fa ho avy, ary ankehitriny dia efa eto an-tany.]

4Ianareo dia avy amin’Andriamanitra, ry zanaka malala, ary efa nandresy azy ireo, satria ilay iray izay ao aminareo dia lehibe mihaotra noho ilay iray izay eto amin’izao tontolo izao. 5Izy ireo dia avy amin’izao tontolo izao; noho izany izay rehetra lazain’izy ireo dia avy amin’izao tontolo izao, ary izao tontolo izao dia mihaino an’izy ireo. 6Avy amin’Andriamanitra isika. Izay mahafantatra ny Tompo dia maheno antsika. Izy izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy maheno antsika. Amin’izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fahadisoana.

7Ry malala, aoka isika hifankatia, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra mitia dia naterak’Andriamanitra sy mahafantatra an’Andriamanitra. 8Ny olona izay tsy mitia dia tsy mahafantatra an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.

9Noho izany ny fitiavan’Andriamanitra dia nambara tamintsika, fa Andriamanitra dia nandefa ny Zanany lahitokana ho an’izao tontolo izao mba ho velona noho Izy isika. 10Ao amin’izany fitiavana izany, tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ary ny nandefasany ny Zanany lahy ho fanavotana ireo fahotantsika.

11Ry malala, raha tia loatra antsika Andriamanitra, dia tokony hifankatia ihany koa isika. 12Tsy mbola nisy nahita an’Andriamanitra. Fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra ary ny fitiavany dia tanteraka ao amintsika. 13Amin’izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika ary izy ao amintsika, satria izy dia nanome antsika ny sasany amin’ny Fanahiny. 14Ary ihany koa, efa nahita isika sy efa mijoro vavolombelona fa ny Ray dia efa nandefa ny Zanany lahy ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.

15Na iza na iza manaiky fa Jesosy dia Zanaka lahin’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra ary izy ao amin’Andriamanitra. 16Isika ihany koa dia nahafantatra ary nino ny fitiavana izay efa nananan’Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra dia fitiavana, ary ilay iray izay mitoetra amin’izany fitiavana izany dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra dia mitoetra ao aminy.

17Noho izany, izany fitiavana izany dia notanterahina tamintsika, mba hananantsika fahatokisana amin’ny andron’ny fitsarana, satria toa Azy, dia toy izany ihany koa isika eto amin’ity tany ity. 18Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana. Fa kosa, ny fitiavana tanteraka dia manala ny tahotra, satria ny tahotra dia tsy maintsy miaraka amin’ny sazy. Fa ilay iray izay matahotra dia tsy natao ho tanteraka ao amin’ny fitiavana.

19Mitia isika satria Andriamanitra nitia antsika voalohany. 20Raha misy olona miteny hoe: “Tiako Andriamanitra” nefa mankahala ny rahalahany, dia mpandainga izy. Fa ilay iray izay tsy mitia ny rahalahany, izay hitany, dia tsy afaka ny hitia an’Andriamanitra, izay tsy hitany. Ary, izany ihany koa no didy izay ananantsika avy aminy: Na iza na iza mitia an’Andriamanitra dia tsy maintsy mitia ny rahalahany ihany koa.

21

Copyright information for PltULB